Tontolon'ny informatika malagasy

Blaogy ampahafantarana ny fivoarana na fahataran'ny tontolon'ny informatika eto Madagasikara.

Nihemotra indray é!!!

otati | 15 Septambra, 2006 14:01

Mihemodava ny fametrahana ilay tamba-jotram-pifandraisana "fibre optique". Ilay mampitohy an'i Madagasikara amin'izao tontolo izao io voalaza io. Ny antony voalaza dia hoe misy ireo firenena afrikana sasany mbola tsy nahaloha vola.Araka ny vaovao niseho tamin'ny gazety malagasy . Ny fametrahana ilay tambajotra anatiny aloha dia nandeha ihany teo aloha teo. Natao nalaza an-gazety ny fametrahana azy tamin'ny volana jolay. Asa na mbola mitohy ny asa na ahoana fa dia tsy re intsony. Tsara koa aloha ny miasa-mangina. Ny tsy fantatra fotsiny dia sao lasa atao alaolana ny fihemoran'ny fampiraisana an'ilay EASSY. Ny mpandraharaha malagasy sasany moa dia efa tsy taitra intsony ny amin'ny fihemorana lava ny fametrahana ity foto-drafitrasa ity.Efa mahazatra io. Ahemotra indray hoy r'izareo. Dia samy ho tara lava eto isika izany. Ny zava-misy ankehitriny anie dia tena tsy ampy mihitsy ny "bande passante" an'ireo mpandraharaha amin'ny aterineto. Ny fisian'io foto-drafitrasa io anefa miteraka fiovana lehibe eo amin'ny tontolon'ny fifandraisan-davitra sy ny fandraharahana eto Madagasikara. Ireo orinasa vahiny miasa eto amintsika moa, indrindra fa ireo antsoina hoe "offshore" dia miandrandra azy io ery. Mora kokoa mantsy ny fifandraisana amin'ireo mpanjifa sy orinasa amin'izay. Isan'ny zavatra ho teraka voalohany ohatra ny hatsaran'ny kalitaon'ny fifandraisana. Ny vidiny aloha miankina amin'ireo mpandraharaha ihany na hihena na tsia. Hisy ny orinasa teraka ary misy ihany koa ny asa amin'izay. Vy miaina amin'ny toe-karena malagasy izy. Tsy anjarako angamba ny hamelabelatra an'io eto amin'ny OTATI. Ho an'ireo mpandraharaha amin'ny sehatry ny fifandraisan-davitra dia efa miezaka mametraka ny foto-drafitrasa izy ireo. Toa an'i Orange izao dia efa mametraka ny azy any amin'iny faritra avaratra iny rizareo. Iny faritra iny mantsy, raha ny kisary amin'ny fizotry ny "backbone national" no jerena dia tsy andalovany. Tombony io ho azy. Moramora tokoa moa i Madagasikara ka manaraka izay koa ireo teknolojia vaovao.
 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb