Nihemotra indray é!!!
otati | 15 Septambra, 2006 14:01
Mihemodava ny fametrahana ilay tamba-jotram-pifandraisana "fibre optique". Ilay mampitohy an'i Madagasikara amin'izao tontolo izao io voalaza io. Ny antony voalaza dia hoe misy ireo firenena afrikana sasany mbola tsy nahaloha vola.
(tohiny)
Tonga soa otati!
otati | 10 Septambra, 2006 14:46
Blaogy nosokafana mba hiresahana ny
tontolon'ny informatika eto Madagasikara. Tsy dia isan'ireo manam-pahaizana firy amin'io sehatra io aho, fa manan-kambara kosa. Hifampidinihina ato ny fivoaran'ny informatika eto amintsika. indrindra moa fa natao ho lohalaharana ny teknolojia ifandraisana eto. Teny Malagasy ny Blaogy.com koa ezahina ho toa izany koa ny
OTATI.
Miroborobo io sehatra iray eto Madagasikara. Betsaka ny efa mampiasa solosaina. Efa miha-mora ny vidiny ankehitriny. Maro ihany koa ireo toerana azo ifampiresahana sy azo itsidihana ny
ATERINETO.
Raha te-hahafantatra bebe kokoa ahy dia ato ny
tranonkala mba nataoko ito.
Misaotra anao nitsidika.